Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.