Ary ny Zanak’ isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an’ i Jehovah isan’ andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’ i Jehovah.