Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.