Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin’ ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin’ ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.