Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.