mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin’ ny tany havoan’ ny Amorita sy any amin’ izay rehetra ao akaikiny, dia any amin’ ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron’ ny ranomasina, dia any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.