Kapitola 14 : Verš 21
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.