dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.