toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;