Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ ny tranon’ i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’ i Hamana hanantonany an’ i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’ io izy.