Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.