Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.