Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.