Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.