Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.