ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midìna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.