Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely araka izay nandidian’ i Josoa ka naka vato roa ambin’ ny folo teo afovoan’ i Jordana, araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Josoa, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’ izay nitobiany ka napetrany teo.