Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.