Ary Batseba nankany amin’ i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin’ i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an’ i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an’ ny renin’ ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin’ ny ankavanany izy.