Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.