Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan’ ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, samy nitsangana teo amin’ ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an’ i Jeho, ary nifanena taminy teo amin’ ny tanin’ i Nabota Jezirelita izy.