Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny.