Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.