Kapitel 19 : Vers 34
Ary nony ampitson’ iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.