Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin’ ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany nijanona teo anoloan’ ny vavahady.