fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin’ ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin’ ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.