Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony