Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan’ i Joaba, kanjo nasiany tamin’ ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin’ ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin’ izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.