Fa nony tonga tao amin’ ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian’ i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin’ ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.