Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.