Ary hoy koa Gideona tamin’ Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin’ ny volon’ ondry: aoka ny volon’ ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan’ ny ando.