Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.