Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin’ ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin’ i Jehovah amin’ ny fihinanana zavatra mbamin’ ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin’ izany alina izany ka namono azy teo.