Chapter 19 : Verse 24
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’ i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan’ ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan’ ny mpaminany?