dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.