Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.