Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: