Chapter 45 : Verse 20
Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.