Capítulo 2 : Versículo 15
Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon’ ny mpisorona ka nanao tamin’ izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an’ ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.