Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’ izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna no anatinao.