Ary ny Levita nampidina ny fiaran’ i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran’ ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin’ ny vato lehibe; ary tamin’ izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an’ i Jehovah.