dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.