Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.