Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.