Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’ i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’ i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’ olona.