Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.