Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.