Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.