Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin’ ny taranak’ i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ ny firenena amin’ ny fahajambana.