第13章 第6節
ary raha zahan’ ny mpisorona indray amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.